Tsidika

Fanaraha-maso ny fifidianana : Tontosa ny fiandohan’ny herinandro teo ny fampiofanana ny mpampiofana ny SAFIDY

 Ny SAFIDY na ny Sampana Anarahamaso ny Fifidianana  Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana dia miasa ary mandray anjara amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana izay ho atao eto Madagasikara . Noho io andraikiny io dia nanatanteraka a??????? ?????????? ???? ??????????? ??? ?o ????? izy ireo. Ny fampiofanana dia n???????? niasa t????’?? ?????????????? ???????? ??? ????’?? ???????? ????????? ???????? ?? ???????????? ?? ???????????.

«  Izahay ato amin’ny SAFIDY dia manao vain-dohan-draharaha ny fanaraha-maso ny fifidianana. Izany indrindra no antony nanatanterahana iny fampiofanana iny mba hanatsarana ny fomba fiasa entina manatanteraka ny asa amin’ny fifidianana. Ireny mampiofana niofana ireny indray aorian’izao no hampiofana ireo mpanara-maso ambiny” hoy ny avy amin’ny SAFIDY

“ Zava-dehibe ny hisian’ny fifidianana mangarahara sy ara-demokratika eto amin’ny firenena Malagasy. Mahavelom-bolo ihany koa ny mahita ny mpanara-maso ny fifidianana mandray an-tanana sy miomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana tahaka izao satria hita fa maneho ny fahavononany izy ireo” hoy ny mpanao pôlitika iray.

Manoloana ny fiainam-pirenena ihany koa dia maro ireo olom-pirenena no milaza fa ny fifidianana no vahaolana hampilamina ny fiainan’ny Malagasy. “ Tsy misy afa-tsy ny fifidianana ihany no afaka manova izany. Aoka samy handà kolikoly ary samy haneho ny safidiny malalaka” hoy i Nary, olom-pirenena

Manan-danja ny safidin’ny tsirairay araka ny efa anentanana matetika. Zo sy adidy ihany koa ny fifidianana ka manana safidy malalaka ny amin’izay ho fandraisany andraikitra manodidina izany ny olom-pirenena tsirairay.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire