ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Nozaraina lamba firakotra mafana ireo zokiolona

Nirotsaka an-tsehatra nizara lamba firakotra mafana ho an’ireo zokiolona teny amin’ireo fokontany miisa valo, ao anatin’ny kaominina Ambohimangakely, ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina sy ireo mpiara-miasa aminy. Nahazo anjara ihany koa ireo olona manana fahasamihafana ara-batana tao an-toerana, araka ny voalaza.

“Natao indrindra izao fizarana lamba firakotra mafana izao mba ho fitsinjovana ireo olona ireo amin’izao fotoana mamirifiry ny ririnina izao. Manodidina ny 300 isa moa izy ireo no nisitraka izany” hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.

“Faly tokoa ny tena ary hankasitrahana ny ben’ny tanàna nanome izao fanomezana izao fa tena ilaina ary zava-dehibe ho anay zokiolona tokoa. Ny andro ririnina, mangatsiaka, ary raha ny fanomezana lamba firakotra tahaka izao dia tena vonjy sy fanampiana anay zokiolona tanteraka” hoy i Thérèse, zokiolona.

Manao ezaka hatrany ny ben’ny tanàna ao an-toerana amin’ny fitsinjovana sy ny fanampiana ireo vahoaka entiny. Hita taratra tokoa izany amin’ny hetsika tahaka izao satria dia samy mahazo ny anjara avokoa ny sokajy sy ny sehatra rehetra ato anatin’ny kaominina.

Manitra R.

Laisser un commentaire