ActualitésTatitra

Maurice : Firenena faha-23 milamina indrindra

Raha ny tatitry ny Global Peace Index 2023 dia firenena faha-23 milamina na « paisibles » indrindra ny nosy Maurice. Niakatra laharana 5 ny nosy raha noharina ny tamin’ny taona 2022. Antony ny fihemoran’ny firenena 4 laharana, isan’izany i Norvège,  Slovaquie, Pologne ary Bulgarie ary teo alohany avokoa tamin’ny taon-dasa.

Ny « Institute for Economics and Peace » no nanao ny fanadihadiana namaritana izany. Nilaza izy ireo fa na tsara laharana azy i Maurice dia misy ihany ny fepetra tsy fenony. I Islande kosa no mitana ny faharana voalohany ao amin’io lisitra io, arahin’i Danemark, Irlande, Nouvelle-Zélande ary Autriche. I Botswana kosa no firenena afrikanina faharoa ao anatin’izany izay eo amin’ny laharana faha-42.

Mbola farany ao anaty lisitra kosa i Afghanistan izay tsy nihetsika teo amin’io laharana io efa 6 taona izao.

Laisser un commentaire