Masindray: Fety iarahana amin’ny mpanakanto sy lalao famaranana baolina kitra no hiseho
Fety goavana iarahana amin’ny mpanakanto malaza toa andry Bolo Pix sy Mamy Basta ary lalao famaranana baolina kitra no hiseho ao amin’ny kaominina Masindray, mandritra ny fankalaza ny fetin’ny fahaleovan-tena, amin’ity faran’ny herinadro ity. Ho tokanana mandritra izany ihany koa ireo zava-bita ao an-toerana, raha ny voalaza.
“Tsy hangina ny tanàna mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena. Ao anatin’izany fankalazana izany ihany koa no hitokanana ireo zava-bita ao amin’ny fokontany Antsaharoaloha sy Antanamalaza. Hanentanana ny mponina tsy ankanavaka ho tonga maro” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Hisy ihany koa ny lalao famaranana baolina kitra amin’ireo andro roa ireo, eny amin’ny kianja Batou sy kianja Andrefatsena Antanamalaza. Ankoatra ireo tahaka ny mahazatra dia misy ny bal populaire ny 25 jona, tsy misy ny vidim-pidirana ao anatin’izany” hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa fa ny fahavitan’ny EPP Antanamalaza sy ny tetezana Antsaharoaloha moa ireo zava-bita ho tokanana mandritra izany.
Manitra R.
