Tsy fandriam-pahalemana: Tratra tao anaty taksiborosy ilay mpamaky trano tao Mahitsy
Tratra tao anaty taksiborosy hihazo an’ny Antananarivo ilay mpamaky trano tao Mahitsy ny alin’ny 9 jona teo. Mbola tratra niaraka tamin’ny tamin’izany ireo entana halatra. Araka ny fantatra dia saika hitondra ireto entana hamidy aty Antananarivo ny tenany.
“Tao anaty fiara hihazo an’Antananarivo no nahatrarana azy miaraka amin’ireo entana halatra. Marihina fa efa mpamerin-keloka ity lehilahy ity no izao tratra izao indray”, hoy ireo avy ao amin’ny Brigadin’ny Zandarimaria eny Ambohidratrimo.
“Efa tratra izany dia havotsitra rehefa avy eo. Tsy hiala amin’ny ratsy fanaony mihitsy anefa izy raha tsy tena faizina amin’ilay maharary azy. Tokony hojerena manokana ireny mpamerin-keloka ireny fa tsy ampy ny mitazona azy any amin’ny violon fotsiny”, hoy Aina, mponina ao Mahitsy.
Mbola voararan’ny lalàna foana ny fanaovana fitsaram-bahoaka. Tsy tokony hiditra amin’izany ny olona na dia efa fantatra aza ny ratsy vitan’izy ireny. Tokony handray ny andraikitra manandrify azy ihany koa anefa ireo mpitandro filaminana mba tsy hirosoan’ny olona amin’izany.
Miora Raharisolo
