SocialTsidika

Tsy fitandremana amin’ny familiana

Ambara mazana fa tsy tokony hisy ny fandehanana mafy ary efa anaty lalàna mifehy ny fifamoivoizana mihitsy aza izany. Mbola betsaka anefa ny mpamily tsy te hahalala ka tsy hay na  maika ho tonga na te hilalao familiana tsotr’izao kanefa ain’olona maro no iantohana.  Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray manko teo Ambalavao ny zoma 19 martsa tolakandro teo. Fiara “Sprinter” ao amin’ny koperativa Kofifi no voalaza fa nivadika vokatry ny fandehanana mafy. Maty tsy tra-drano araka izany ny mpamily ary olona iray no atahorana mafy ny ainy izay efa nentina tany Fianarantsoa. Nentina tany Ambalavao kosa ny olona iray naratra . Tokony hisy mihitsy araka izany ny fepetra entitra mikasika ny fifamoivoizana, eo ihany koa ny fampahafantarana ny mpamily ireo lalàna mifehy izany sao tsy hainy. Malagasy maro no efa namoy ny ainy nandritra ny fandehanana ka tsy tonga akory tamin’ny dia saika haleha fa fahafatesana no hita. Iza no tokony handray ny fepetra, ny fanjakana sa ny mpamily sa ny tompon’andraikitry ny koperativa ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire