ActualitésTatitra

Burkina Faso : Vehivavy an-dimapolony no nisy naka an-keriny

Nanao tatitra tamin’ny AFP ny tompon’andraikitr’i Arbinda, kaominina ao avaratr’i Burkina Faso fa vehivavy 50 isa no nisy naka an-keriny roa andro nifanesy tao an-toerana ny herinandro lasa teo. Nisy tamin’izy ireo efa tafandositra raha ny fanamafisana.

Mponina maromaro izay tsy nanaiky nitonona anarana tao an-toerana no nanazava fa « djihadiste » nitam-piadiana no nanao io fakana an-keriny io. Nivondrona nandeha nioty voninkazo sy voankazo ieo vehivavy ireo satria tsy nisy sakafo nohaninana teo an-tanana hoy ny iray tamin’izy ireo. Nanamafy izany ihany koa ireo vehivavy tafatsoaka.

Mbola tsy nahitam-bokany kosa hatreto ny fikarohan’ny tafika ao an-toerana.

Laisser un commentaire