ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nahatratra 66,46 % ny taham-pahafahana BEPC

Niarahaba sy nirary soa ireo mpianatra afaka BEPC tao Ankadikely Ilafy ny kaominina. Nahatratra 66,46% ny taham-pahafahana BEPC tamin’ireo ZAP mandrafitra ny kaominina tamin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity.

« Miarahaba ireo mpianatra afaka fanadinam-panjakana BEPC taom-pianarana 2021-2022 ny tenako. Mankahery ireo izay mbola hamerin-taona ihany koa. Tsy atao hahakivy akory izany fa indray mandeha manta vary ve dia handevin-tsotrobe » hoy ny tompon’andraikitra ao Ankadikely Ilafy. « Mahavelom-bolo tokoa ny vokatra teto Ankadikely Ilafy. Hinoana fa hiakatra hatrany iznay amin’ny taona ho avy » hoy i Rija, mpampianatra ao Ankadikely.

Betsaka tokoa ireo nanohana hatrany ny fanabeazana tao Ankadikely Ilafy. Hiaraha-misalahy tokoa ny fanabeazana ho antoky ny fampandrosoana.

 Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire