Sambava : Lavanila sandoka saron’ny polisy
31 Martsa, 13h51. Hoditra akondro maina natao endrika lavanila no saron’ny polisy tao Andranoalanana Tsararivotra, Fokontany Ambodisatrana II ny 29 martsa 2022 tokony tamin’ny iray ora atoandro. Efa miparitaka eto amin’ny firenena io tranga io raha ny fanadihadiana natao teny amin’ny polisim-pirenena.
Namidin’ireo olona voarohirohy ireo tamin’ny vidiny ambany teo amin’ny 20.000Ar/kg. Tena miasa manangona ireny akondro manta ireny ireto mapano lavanila sandoka ireto, tetehiny madinika ny hodiny ary avarina ao anaty rano mangotraka ary atapy (ahahy) sy afangaro amin’ny lavanila tena izy mba ho manitra ary atapy dia lasa manana endrika toy ny lavanila.
