Etats-Unis : Zaza iray tsy hita nandritra ny fotoana maro hita faty tao anaty lava-piringa
Zazalahy kely heritaona i José Lara. Varimbariana ny reniny rehefa nilalao tao an-jaridaina ilay zaza ka tsy hita popoka. Ny 27 martsa teo no niseho ny tranga tao amin’ny tranon’izy ireo tao Comté de Putnam, ao Floride.Nikaroka azy ny reniny rehefas nanomboka nahatsikaritra fa tsy teo intsony izy saingy tsy nahita azy ka niantso mpamonjy voina. Rehefa natao ny fikarohana dia hita ao anaty lava-piringa (fosse septique) ny fatin’i José Lara 24 ora taty aorian’ny tsy nahitana azy.Nisarona hazo fotsiny io lava-piringy io raha ny fantatra ary tao anaty bozabozaka. Nisy hazo boboka nampianjery an’ilay zaza teo amin’ilay izy hoy ny Shérif ny Comté de Putnam, Gator DeLoach.
