ActualitésTatitra

Canada : Pretra iray voaheloka nanao herisetra ara-nofo tamin’ny ankizy

Namoaka didy fampisamborana pretra frantsay iray antsoina hoe Johannes Rivoire ny polisin’i Canada. Raha ny fanazavan’ireo manam-pahefana dia nohelohina nanao herisetra ara-nofo tamin’ny ankizy « inuit » io pretra efa 93 taona io.Monina ao Lyon io pretra io amin’izao fotoana rehefa niala tao Canada ny taona 1993. Efa tany amin’ny 30 taona mahery lasa tany noho ity tranga hiampangana azy ity. « Tamin’ny volana septambra teo dia naharay antso nitory azy noho ny trangan’herisetra tany amin’ny 47 taona lasa tany izahay » hoy ny polisin ‘i Nunavut, faritra avaratr’i Canada.Natao ny fanadihadiana hoy izy ireo ary fantatra ny volana febroary teo fa nitombona ny fitoriana ka izao nampiantsoana azy izao.

Laisser un commentaire