SocialTsidika

Ambohidrabiby : Inona izany « Imerina-Ambaniandro « ?

Imerina-Ambaniandro dia ny faritra nanjakan-dRalambo. Ralambo, nanjaka ny taona 1575 ka hatramin’ny taona 1610, no namorona ny teny hoe Imerina-Ambaniandro teo Ambohidrabiby, izay renivohi-panjakany. Marihina fa 22 km miala an’Antananarivo amin’ny làlana mankany Anjozorobe no misy an’Ambohidrabiby. Vohitra miorina eo antampon-tendrombohitra efa hatramin’ny taonjato faha-16 izy io.

« Sendra nitanin’andro teo ambony vato eo ambony atsimo ivelan-kady amin’ny vohitr’Ambohidrabiby i Ralambo tamin’izay. Nanao fanorona tamin’ Andriandoriamanjaka, iray amin’ireo mpanolotsainy. Nangingina tsy nahitan-teny be ihany izy. Nihevitra ilay Andriandoriamanjaka sao efa ho resy am-panorona no mampangingina an-dRalambo. Somary nantsafainy sao mafanafana ny Andriana fa nanevika ny masoandro na dia efa mody hariva ihany. Fetsy anefa hono Ralambo ka nolazainy fa ny mijery ny fidadasiky ny fanjakany no mampanerinerina azy. Avo rahateo ilay toerana nitaniany andro » hoy i Andry, mpahay tantara.

« Tapaka teo ny heviny fa « Imerina » (mampanerinerina) no ataony anaran’ny faritry ny fanjakany. Ny vahoakany tsy ankanavaka, na andriana na hova na andevo dia antsoiny hoe « Ambaniandro ». Izy Ralambo ihany no « amboniandro ». Dia izany no niatombohan’ny fitenenana hoe Imerina-Ambaniandro. Talohan’izany dia Ankova no anaran’ny faritra ary Hova no anaran’ny mponina nonina taty anivon’ny riaka » hoy hatrany ity mpahay tantara ity.

Tato aorina ary, noho ny fitenenana mahavantana kokoa dia io « Imerina » io no niteraka ny anarana hoe « Merina » izay nentina niantsoana koa ny « Ambaniandro ». Nefa ireo foko hafa indrindra ny any anindrana dia mbola nampiasa hatrany ny teny hoe « Ankova » hiantsoany an’Imerina. Ary « Amboalambo » no niantsoan’ireo foko ireo ny mponina taty Imerina satria tsy laitrany ny mpanjaka Ralambo izay naharesy ny Sihanaka sy Bezanozano sy Sakalava. Nataony izany « Amboalambo » izany ho toy ny fanozonana an-dRalambo sy ny vahoakany. 

Diamondra Randriantsiferana

Laisser un commentaire