ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitohy ny fikojakojana ireo lalana rarivato

Manara-maso hatrany ireo làlana rarivato ireo ekipa teknika avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Narenina sy namboarina avy hatrany ireo nahitana fahasimbana.

« Ho fisorohana ny fahavoazana sy ho fikojakojana ny fotodrafitrasa dia narenina sy namboarina avy hatrany ireo rarivato simba. Izany dia mba tsy hihitaran’ireo hita fa misy fahasimbana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Teto Manjaka izao ny kaominina no nijery ireo rarivato samba.  Antoky ny fanadrosoana ny lalana. Isan’ny laharam-pahamehana ho anay ny fanamboarana izany » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.

Mitohy hatrany isan’andro ny hetsika hampandrosoana ny kaominina Ankiadikely Ilafy. Ny hetsika tena miampaka amin’ny fianam-bahoaka no ifotoran’ireo mpitondra any an-toerana. Tsara ihany koa raha samy mikojakoja ny rehetra ho antoky ny fandrosoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire