Fandriam-pahalemana : Noesorina ireo lobolobo tao Ankadikely Ilafy
Mitohy hatrany ny ezaka atao manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ao Ankadikely Ilafy. Noesorina ireo lobolobo hita eo amin’ny lalana mampitohy an’i Ilafy amin’ny Ankadikely.
« Lasa toerana fieren’ny jiolahy sy fifohana zava-mahadomelina ny lobolobo tahaka izao. Antenaina fa hampihena ny trangana tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny Kaominina izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Hitohy amin’ny faritra hafa ny hetsika toy izao. Miara-mientana izahay sy ny quartier mobile amin’ny fanesorana ny lobolobo sy ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana » hoy ny Polisy Kaominaly.
Miezaka miady amin’ny sakana tsy mampandroso ny tanàna hatrany ny kaominina. Hita fa miasa isan’andro ireo tompon’andraikitra manampy amin’ny sehatra rehetra.
Nicole Rafalimananjara
