France : Total no orinasa nandoto ny tontolo iainana be indrindra
Total no orinasa voaheloka nanamaivana indrindra ny fikajiana ny tontolo iainana tao anatin’ny 50 taona ny taona 2021 teo. Anisan’ny efa nahafantatra am-polo taonany maro ity orinasa frantsay ity sy ireo orinasa mpamokatra solika hafa fa misy fiantraikany ratsy goavana amin’ny tontolo iainana ny asan’izy ireo.Raha ny fanadihadiana nivoaka tamin’ny « Global Environmental Change » nosoratan’ny siantifika telo, roa avy ao France ary iray avy ao Etats-Unis dia fantatry ny Total tsara ny voka-dratsin’ny asany amin’ny fiovan’ny toetry ny andro nanomboka ny taona 1971. Mamokatra tahana « gaz carbonique » avo dia avo ny fandoarana « énergie fossile » ka mampiakatra ny tahan’izany eny amin’ny atmosfera (400 parties par million (ppm) tamin’ny taona 2010).Nanarotsarona izany voka-dratsy izany hatrany nefa ny Total sy ny Elf izay nivondrona ny taona 1999. Nahay namehy ny politaka fampielezana « gaz à effet de serre » izy sady nitady vahaolana nanehoana ny fiarovany ny tontolo iainana tamin’ny alalan’ny firotsahana an-tsitrapo tamin’ny hetsika samihafa nisahana izany.
