Corée Sud : Nandefa ny « sonde » mankeny amin’ny volana
Ny alakamisy 04 aogositra lasa teo no niainga tao amin’ny Cap Canaveral, tao Floride Etats-Unis ilay « sonde spatiale sud-coréenne » Danuri, izay hijanona mandritra ny iray taona any amin’ny tsy taka-maso any. Tanjon’ny fandefasana azy ity ny fandinihana sy ny fanaraha-maso ireo seho amin’ny fifezivezen’ireo sambon-danitra hafa ary ny fantsarana ny serasera amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia sy ny fivoaran’izany, izay iarahany miasa amin’ny NASA.
Amin’ny tapaky ny volana desambra any ho any no heverina hiantsonan’ity sambon-danitra ity eny amin’ny volana.
