Nosy Be : Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny fokontany Befitiana sy ny CSBII Bemanondrobe
Tontosa ny fanarenana ny biraon’ny fokontany Befitiana sy ny CSB II Bemanodrobe, ao anatin’ny kaominina renivohitra Nosy Be. Volan’ny faritra madiodio no nanatanterahana izany.
« Ahitana biraon’ny lehiben’ny fokontany, toerana famakiana boky, efitra lehibe fivoriana sy fandraisana olona ny fokontany vaovao ato. Efa misy seza sy latabatra ary ny fitaovana samihafa mampandeha azy ity toerana ity » hoy ny tompon’andraikitra. « Fampanantenana natao, tsy maintsy tanterahina. Miroso hatrany amin’ny fanatanterahana izany isika. Tsy misy distrika, kaominina, fokontany ho adino amin’ny fampandrosoana ato amin’ny faritra Diana. Ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka dia anisan’ny laharam-pahamehana » hoy Governora Daodo Arona Marisiky.
Ny CSB kosa dia natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamana.
Nicole Rafalimananjara
