Fitaterana an’habakabaka : Tsy azo entina anaty fiaramanidina intsony ny valizy misy kodiarana
Tsy mahazo mitondra valizy misy kodiarana intsony ao anaty fiaramanidina. Hisy ihany koa ny fisavana ireo mpandeha eo am-piaingana, any am-pahatongavana ary ao anaty fiaramanidina. Izany no isan’ny fepetra napetraky ny fanjakana malagasy ho fisorohana ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena indrindra fa ny volamena.
« Tsy azo entina anaty fiaramanidina intsony ny valizy misy kodiarana. Ho entitra ny fisavana ireo mpandeha » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fitaterana. « Mety hampihemotra ireo mpizaha tany mikasa eto Madagasikara ity fepetra ity. Inona izany no itondrana entana ? » hoy ireo mpanara-baovao.
Hiteraka fiovana eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany tokoa ve ity fepetra ity ? Inona no hitondran’ny olona ny entany ?
Nicole Rafalimananjara
