ActualitésTsidika

Mandrare : Voasambotra ireo dahalo raindahiny

Voasambotra tao amin’ny kaominina Ambatosola i Remitohy sy Fanera, izay dahalo raindahiny mpampihorohoro ny mponina. Ireo miaramila avy ao amin’ny vondrom-paritra Mandrare, izay no nanao fisafoana, no nahatratra azy ireto.

« Dahalo mpampihorohoro ny mponina ao Analamary Ambatomiravary Mandrare izy roalahy ireto. Ankasitrahana feno ny mponina nanome vaovao nahafahana nisambotra azy roalahy ireto » hoy ny Miaramila avy ao ZDS Mandrare. « Tratra niaraka tamin’izy mirahalahy ireto ihany koa ny basy entin’izy ireo manatanteraka ny asa ratsiny. Efa ela no fantatra fa izao vao tena tratra » hoy ny mponina ao Analamary. Efa eo am-pelatanan’ny zandary kosa izy ireo hatao fanadihadiana.

Fahombiazana tokoa no ateraky ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka ety ifotony. Hirariana hitohy sy hahazo vahana hatrany izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire