Russie : Nanatsahatra ny fivarotana ny vokany ao an-toerana ny orin’asa Apple
« Manahy tanteraka amin’ny fanafihan’i Russie an’i Ukraine izahay ary manohana tanteraka ireo olona mijaly noho izany herisetra izany » raha ny fampitana nataon’ny Apple. Nandray fepetra maro izy ireo manolona izany ka nanapa-kevitra ny nanatsahatra famarotany ny vokany tao Russie. Efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo izy ireo no tsy nanondrana tao amin’ny firenena intsony.Nanafoana ny tsena an-jotrany ao amin’ny haino aman-jerin’i Russie, RT sy Sputnik ihany koa ity orinasa ity. Nosakanan’izy ireo ihany koa ny rindram-baiko ahafahana mitatitra mivantana ny zava-misy ao Ukraine amin’ny alalan’ny Apple Maps mba ho fepetra fiarovana sy fitandrovana ireo olom-pirenena ao Ukraine.
