Toetr’andro : Mitohy ny oram-pahavaratra
01 Martsa, 11h00. Misy tangoron-drahoana matevina arahi-maso akaiky ao amin’ny faritra avaratra atsinanan’ny nosy raha ny voalazan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Mbola hitohy kosa ny oram-pahavaratra ho an’ny faritra Avaratra Andrefana sy ny ati-tany. Nampitandrina ny rehetra amin’ny oram-be mety hiseho ka mety hiteraka loza izy ireo.
Hisy fidinana kosa maripana ambony raha ny vinavina ho an’ny 1 martsa hatramin’ny 6 martsa, indrindra any Atsimo Andrefana. Tsy hisy fiovanafiry izany ho any amin’ny faritra hafa. Tambany = [15 – 26°C] Tambony = [22 – 33°C]
