Dépêches

Rivo-doza : Fivoaran’ny rivodoza 23 febroary

23 Febroary, 11h45. Tao amin’ny Distrikan’Iakora no nisy ny ivon’ny Emnati  tamin’ny 8 ora maraina teo. Nihena ho 100 km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 140 km/ora. Mikisaka mianatsimo andrefana izy ka mahafaka 31 Km/ora. Hanohy ny diany hamakivaky ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Anosy izy ary vinavinaina hivoaka an-dranomasina any amin’ny Faritra Androy anio hariva.

Miova manoloana izany ny filazana loza, faritra miloko mena i Fitovinany, Atsimo atsinanana, Matsiatra ambony, Ihorombe, Anosy, Androy, Benenitra, Betioky ary Ampanihy. Miloko mavo kosa i Morombe, Ankazoabo, Sakaraha, Toliara I-II ary Beroroha. Ary ao anatiny fahamailoana na miloka manga i Amoron’i mania, Nosy varika, Mananjary ary Ifanadiana.

Entanina hatrany ireo mpampiasa ranomasina mba tsy hiandriaka.

Laisser un commentaire