Fianarantsoa: Renim-pianakaviana iray tra-boina no nihetsi-jaza
23 Febroary, 08h00. Renim-pianakaviana iray tra-boina raisina an-tanana ao amin’ny Gymnase Ambatomena Fianarantsoa no teraka. Nentina avy hatrany ao amin’ny CSBII ROVA izy ary voaray an-tanana soa aman-tsara. Nataony Emnati ny anarana nomeny ny zanany.
