VANGAINDRANO: Maro ny zavatra simba
23 Febroary, 09h00. Tsy mbola tafarina tamin’ny rivodoza teo aloha i Vangaindrano nefa dia nisedra ny rivodoza EMNATI sahady. Vokatr’izany dia simba tanteraka ny tanànan’i Vangaindrano, miakatra ny rano, rava ny trano ary mianjera ireo hazo.
