Dépêches

CAN 2023 : Tsy anao lalao fanomanan-tena ny Barea

25 May, 11h00. Ny 1 jona 2022 ho avy izao no tanterahina ny lalao ifanandrinan’i Barean’Madagasikara sy ny Black Star an’i Ghana. Ny 5 jona kosa ny lalao faharoa hiaonana amin’i Angola. Raha ny nambaran’ny mpanazatra Nicolas Depuis dia tsy hisy ny lalao fanomanan-tena fa hiatrika an’i Ghana avy hatrany ny ekipa Malagasy. Nitondra fanazavana mikasika ny antony ny avy amin’ny FMF (Fédération Malgaches de Foot Ball) fa ny tsy fahampim-bola sy ny eo am-pelantanana no antony tsy ahafahana manatanteraka ny fanomanan-tena ary kely dia kely ny fotoana iomanana.

Laisser un commentaire