Ambohimangakely : Antoky ny fandriampahalemana ny fiarovana ireo fananana iombonana
Nosoloin’ny Koaminina ireo fotodrafitr’asa nisy nangalatra tao Ankandrina Ambanivato Soamanandrariny. Ny kaominina ihany no nametraka ireto teo aloha.
« Mampitandrina ireo tsy mataho-tody sy ireo mpisompatra tamin’ny fangalarana ireo fotodrafitr’asa izahay. Iangaviana ianreo tompon’andraikitra eny an-toerana mba hijery sy hikoja ireto fitaovana vao napetraka ireto » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.
« Fananana iombonana ho antsika mponina ireny. Antoky ny fandriampahalemana ho antsika ihany. Tompon’andraikitra amin’ny fiarovana azy isika rehetra » hoy i Valisoa, mponina ao Soamanandrariny. Aoka samy hikajy sy hikolo ary hanara-maso ireto fotodrafitr’asa vao natao ireto isika. Marihina fa takelan-jiro sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro no napetraka.
Nicole Rafalimananjara
