Dépêches

Rivodoza : Tombanana hiditra an-tanety anio alina ny rivodoza EMNATI

22 Fevrier, 10h48. Tany amin’ny manodidina ny 213 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Mahanoro no nisy ny foiben’i EMNATI. Nitombo 150 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 210 Km/ora androany tamin’ny 7 ora maraina. Mikisaka mianatsimo Andrefana izy ka mahafaka 17 Km/ora. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Mahanoro sy Farafangana izy anio alina amin’ny tanjaka “Cyclone Tropical Intense” na Rivodoza Mahery Vaika (170 Km/ora). Hamakivaky ny afovon-tany i EMNATI aorian’izay ary vinavinaina hivoaka an-dranomasina any amin’ny lakan-dranon’i Mozambika ao amin’ny Faritra Androy ny Alarobia. Faritra miloko mena i Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo atsinanana ary Mangoro. Hanomboka hahazo toerana ny ora-mikija mialoha azy anio Talata 22 Fébroary 2022. Ahiana mafy ny tondra-drano noho ny fahabetsahan’ny rotsakorana amin’ny faritra rehetra izay ho lalovany, indrindra ny faritra Vatovavy, Fitovinany, Matsiatra Ambony ary Atsimo Atsinanana. Ahiana mafy ihany koa ny fiarakaran’ny ranomasina (1,6 metatra) manodidina ny toerana idirany an-tanety vokatry ny rivotra mafy entiny. Ho 3 ka hatramin’ny 5 metatra ny haavon’ny onja fa ho 6 ka hatramin’ny maherin’ny 14 metatra kosa izany amin’ny morontsiraky Vatovavy hatrany Atsimo Atsinanana.

Laisser un commentaire