Arabie Saoudite : Hisy vehivavy hitondra fiarandalam-by afaka fotoana fohy
Vehivavy ao Arabie Saoudite maro no hahazo alalana hitondra fiarandàlam-by. Orinasam-piarandàlam-by iray no niantso vehivavy maro ao an-toerana hitondra fiarandàlam-by, ary vehivavy 28 000 manomboka amin’ny 22 taona hatramin’ny 30 taona no namaly ny antso. Nanazava ny tompon’andraiktr’ity orinasa misampana amin’ny Renfe ity fa 30 amin’ireo vehivavy ireo no ho raisina.Nitarika adihevitra nandritra ny volana maromaro kosa izao fandrasaina vehivavy hitondra firandàlam-by izao. Mbola hiatrika fitsapana fifantenana ireo vehivavy ireo, ary izay voaray dia omena 1 taona manomboka ny volana martsa izao hitondra ny fiaran-dàlam-by. Voalohany teo amin’ny tantaran’i Arabie Saoudite izany vehivavy hitondra fiaran-dàlam-by izany. Ireto farany izany ny 2018 teo vao nahazo alalalana sy nanan-jo nitondra fiara.
