Tsy fahandriam-pahalemana : Tovolahy iray voahendaka teo 67ha
18 Febroary, 10h00. Tovolahy iray andeha hianatra no voahendak’ireo tsy matahotody androany tokony tamin’ny 6 ora 30 maraina teny 67Ha Ankasina. Andeha hianatra no dian’ity lehilahy ity izao niaram-boina izao ary tsy nisy afatsy boky sy cahier ary finday kely teny aminy raha ny loharanom-baovao. Naratra izy vokatry ny fanendahana azy, efa nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ary efa nody any an-tranony saingy mbola feno ratra.Écrire à Dina Ah-kam
