Fahasalamana : Inona izany « hypoglycemie » ?
Ny hypoglycemie dia tsy fahampian’ny siramamy ao amin’ny rà. Samy miteraka aretina avokoa raha mihoatra na tsy ampy ny siramamy amin’ny vatana.
Betsaka ny fambara amin’izany tsy fahampian’ny siramamy izany. Isany amin’izany ny faharerahana, manjavonjavo ny maso, tsembotsemboka ary fotsy hatsatra. Mety ho fanina ihany koa na mangovitra mihitsy aza. Ireto misy torohevitra raha sendra izay tsy fahampian’ny siramamy amin’ny vatana izay. Voalohany, mila fadiana ny mihinana siramamy mivantana na ranontsiramamy na misotro dite be siramamy. Faharoa, Tsy tokony hihinana tsindrin-tsakafo aloha. Fahatelo, tsara foana ny mihinana sakafo be potassium toy ny epinard, broccoli, trondro, voatabia, tsaramaso, zavoka, voasary, akondro, mananasy, dobera, ronono. Fahefatra, Azo atao tsara ny mihinana voanjo sy ny misotro dite tamotamo na rano be. Raha vitantsika ny manaraka ireo torohevitra ireo dia tsy ho tratran’ny hypoglycemie isika.
Mirary fahasalamana hatrany ho antsika.
Nicole Rafalimananjara
