ActualitésTsidika

Haitraika : Inona izany mpitarika ?

Ny mpitarika no tena tena tokony handray andraikitra volaohany indrindra mba hampavitrika ny mpiasa. Tsy toy ny mpampiasa hafa izay mibaiko sy miandry fotsiny izy. Tsara atao fitaratra ho an’ny olona rehetra taritiny ny mpitarika.

« Teny fankaherezana no tokony ho azo avy amin’ireo mpitarika fa tsy sanatria baiko akory. Vitsy ny manana toe-tsaina mpitarika » hoy i Christian, mpandraharaha. « Ny mpitarika dia olona iray manaiky ny ho atao ho tohatra iakarana. Manandratra ambony sy manosika ny hafa hatrany mba handroso. Sanatria ho an’ny mpitarika izany hitsetsitra ny mpiasany izany » hoy i Faly, mpampianatra. Meteza ary isika rehetra ho tena mpitarika amin’izay zavatra iseharantsika.

Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny fianarana haitarika ao amin’ny BTC. Natao ho an’ny rehetra ny fiofanana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire