ActualitésTsidika

Ambatondrazaka: Misy mangalatra ny jiro manazava ny lalana

Misy mangalatra tsikelikely ireo jiro manazava ny lalana makany amin’ny Aérodrome Fermanga Avaratra, Distrikan’Ambatondrazaka. Tsy mbola fantatra hatreto ireo tompon’antoka amin’ny fangalarana. « Mihena ny isan’ireo jiro manazava ny làlana mankany amin’ny Aérodrome Feramanga Avaratra distrikan’Ambatondrazaka. Efa miisa 08 ankehitriny ny jiro nisy nangalatra » hoy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. « Eo andalam-pikarohana ny olon-dratsy isika izao. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny olona hikarohana ny meloka. Hisy ny valisoa ho an’izay manana loharanom-baovao izay mitentina 200 000 Ariary » hoy ny mpitandro filaminana. Afaka manantona avy hatrany ireo mpitandro filaminana any an-toerana izay manana loharanom-baovao mari-pototra. Ho tazomina ho tsiambarantelo kosa ny anaran’ilay nanome ny loharanom-baovao ho fitandroana ny ainy.

Laisser un commentaire