Fandraharahana : Azo atao tsara ny miainga amin’ny tsy misy
Tsy voatery manambola foana vao afaka manomboka tetik’asa iray. Porofo manamarina izany i Patrick sy i Nanah, izay mpivady niainga tamin’ny tsy nisy.
« Tsy nanana na inona na inona izahay. Naka entana tamin’ireny tranom-barotra lehibe ireny izahay. Nahatoky anay rahateo ny mpanome entana. Nihafy sy niezaka, nihary sy nikiry nandritra ny fotoana maro » hoy i Patrick, raim-pianakaviana. « 5 taona sy efa-bolana teo izahay no nivady, manan-janaka. Samy «depart zéro». Nahita olona nanome entana, ary izahay no nivarotra, tsy nampiasa vola » hoy i Nanah.
Niezaka nividy tany sy nanangana trano tsikelikely tamin’izay vola azony izy mivady. Tafatsangana ankehitriny ny tranon’izy ireo, izay lehibe sy maoderina tokoa. Tsara foana tokoa ny manana vina eo amin’ny fiainana ho entina mampandroso. Tsy tsara ny mametraka ny vola ho sakana tsy hanatratrarana ny tanjona. Tsy ny vola ihany koa anefa no tanjona, fomba iray hanatratrarana ny tanjona ny vola.
Nicole Rafalimananjara
