ActualitésTsidika

Masindray : Fifaninana mandihy ao anatin’ny roa andro monja

Miantso ireo manan-talenta amin’ny resaka dihy ny mpikarakara ny « Dance Party » ao Masindray. Hisy ny fifaninana mandihy izao atao ao anatin’ny roa andro monja, 25 sy 26 jona, ao amin’ny tsena Masindray.

« Efa misokatra ny fisoratana anarana dieny izao. Voafetra ihany anefa ny toerana ka tsara raha tonga aloha hatrany » hoy ny mpikarakara. « Sady kolontsaina no fialamboly ny dihy. Betsaka ihany koa ireo manasokajy azy ho fanatanjahantena noho izy mila angovo. Aza afenina ny talenta fa asehoy ny manodidina ahafahantsika mandroso hatrany » hoy i Dinah, mpandihy.

Hita ao Masindray matetika tokoa ny fifaninana mandihy toy izao. Tsy vitsy tokoa mantsy ireo tanora ao mankafy sy tia mandihy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire