Moramanga : Nandeha teny ifotony nijery ny abatoara famonoana omby ny ben’ny tanàna
Nisy ny fitarainana manoloana ny fahalotoan’ny foto-drafitr’asa sy ny kalitaon’ny vokatra izay mivoaka avy ao amin’ny toeram-pamonoana omby sy kisoa (abattoir) ao amin’ny fokontany Camps des mariées, Moramanga. Araka ny voalaza, tsy manaraka ny fenitra ny toerana ka mety hiafara amin’ny fihinana maloto noho tsy fahadiovan’ny toerana famonoana ireo biby, izay vatsiana ao amin’ny tsena fivarotana ao amin’ny kaominina. Nandeha nijery ny zava-misy teny ifotony avy hatrany ny ben’ny tanàna ao an-toerana ny alatsinainy lasa teo, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny fambolena sy ny fiompiana.
« Tsy voahaja ny toerana fikarakarana ireo hena hamidy ao an-toerana. Ankoatra ireo fako miparitaka manodidina, efa misy ihany koa ireo fatim-boalavo eo amin’ny manodidina. Tena mila fandraisana andraikitra ny zava-misy fa mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana raha izao no mitohy » hoy i Rija, mponina ao Moramanga.
« Tsy tokony hiandry ny tomponandraikitra vao handray fepetra manoloana tranga iray. Ny olom-pirenena tsirairay dia samy tomponandraikitra avokoa indrindra amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanoherana ny tsirariny ho an’ny tombotsoan’ny daholo be » hoy i Rafidy, mpandinika fiaraha-monina.
« Hisy ny fanatsarana ho atao izay tsy hiandrasana fotoana ela izany. Hisy ihany koa ny fampidirana ny rano madio ao anatin’ity toeram-pamonoana omby sy kisoa ity » hoy ny ben’ny tanàna.
Toerana tokony hadio lalandava ny toerana fikarakarana ny hena, ary tomponandraikitra avokoa manomboka any amin’ny rafim-pitantanana any ambony, mpanara-maso sy mpitsirika ny fahadiovana. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanajana ny zon’ny mpanjifa ny fanaraha-maso izany.
Manitra Ramanantsoa
