ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nahazo CSBII vaovao i Antsapandrano

Misokatra amin’ny fomba ofisialy androany ny CSB II CARMMA Antsampandrano Ankadikely Ilafy. Afaka manao fizahana sy mandray marary avy hatrany izy aorian’izay.

« Isaorana ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka namaly ny hetaheta sy ny fangatahana nataon’ny kaominina Ankadikely-Ilafy. Afaka misitraka izao fotodrafitrasa izao ho tombotsoan’ny be sy ny maro. Isaorana koa ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo malala-tanana nanampy tamin’ny fampitaovana » hoy ny ny ben’ny tanàna Rija Rajaonah. « Tena miasa ny kaominina, ary mitady ny fomba rehetra ho entina hampandrosoana ny tanàna » hoy i Fetra, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Niara-nifanome tanana amin’ny fahavitan’ity fotodrafitr’asa ity ihany koa ireo mponina any an-toerana. Ny fahasalamana tokoa no voalohan-karena, ary tena mila fanatsarana hatrany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire