ActualitésTatitra

Pérou : « Shanay-Timpishka », rano mangotraka mikoriana

Sakelin-dranon’ny reniranon’i Amazone ny Shanay-Timpishka antsoina ihany koa hoe La Bomba. Izy io irery ihany no rano mikoriana mangotraka eran-tany. Mirefy 6,4km ny Shanay-Timpishka ary manodidina  45°C hatramin’ny 100°C ny hafanan’ny ranony.

Midika hoe « mangotraka noho ny hafanan’ny masoandro » ny anaran’io sakelin-drano io. Raha ny fanazavan’ny siantifika, Andrés Ruzo anefa, dia « géothermique » (hafanan’ny tany) no loharanon’ny hafanan’io rano io na dia tsy misy volkano aza manodidina azy. Nanamafy ny tenany rehefa manakaiky « manteau terrestre » ny rano dia mafana kokoa.

Tsy misy zava-manan’aina afaka mivelona kosa ao anatin’io rano io manoloana izany hafanany izany.

Laisser un commentaire