Royaume-Uni : Lafo 3,75 tapitrisa euros ilay diamondra « Énigme »
Diamondra mainty voajanahary lehibe indrindra eran-tany ny « Énigme ». Nisy nividy 4,3 tapîtrisa dollars (17 200 000 000 Ar) izy nandritra ny lavanty nokarakarain’ny trano Sotheby’s tao Londres ny alarobia teo. Raha tsiahivina dia 555 « carats » ary manana lafiny 55 io vato io.Talohan’ny nisokafan’ny varotra dia notombanana ho 7 tapitrisa dollars ny vidin’ity diamondra ity. »800 carats » izy talohan’ny namolavolana azy. Telo taona no namolavolana azy hananana ny endriny amin’izao fotoana.
