Masindray : Hiavaka ny fomba fankalazana ny fety
Saika ahitana hetsika fampialana voly avokoa ny tanàna eto Avadrano. Miavaka amin’izany ny ao Masindray satria adin’akoho no ho hita any ny alahady sy ny alatsinain’ny Paska ho avy izao.
« Manomboka amin’ny 9 ora maraina ny adin’akoho. Ady vola be no ho hita amin’io. Akoho marobe ihany koa no ho avy amin’izany. Ny hariva kosa dia hisy ny fetifety isan-karazany toy ny karaoke, ny dihy » hoy ny avy ao amin’ny Les amis Gallo, mpikarakara ny hetsika. « Izaho tena mpankafy adin’akoho. Sady mahazo vola izany amin’io no miala voly kely. Mahafinaritra ny hetsika satria hainareo tsara ilay tena tianay » hoy i Thierry, mponina ao Masindray.
Toerana tsy lavitra an’i Batou Beach Ambohimanambola no hanatanterahana izany. Misy kosa ny saram-pidirana, izay mirary sy takatry ny rehetra. Hafa tokoa rehefa mba miala voly kely ao anatin’izao fety izao.
Nicole Rafalimananjara
