Fampandrosoana isam-paritra : Andraikitry ny tanora
Zava-dehibe amin’ny Malagasy izany hoe tanindrazana sy tany niaviana izany. Matetika anefa rehefa hanofy fianarana na noho ny antony maro samihafa dia voatery mandao izany tany niaviana izany. Rehefa lasa indrindra ireo lasa any ampitan-dranomasina dia manadino ny tany niaviana. Tokony mitondra ny fahaizana izay noratovina sy voaray tany anefa ireo tanora ireo mba hampandrosoana ny tany niaviany aloha.
