SocialTsidika

Antsahakely Ilafy : Nisy tany nihotsaka teo amin’ny lalana, tsy hay na nisy nandalo

Nisy tany nihotsaka tao Antsahakely Ankadikely Ilafy ny 9 febroary lasa teo tamin’ny 6 ora hariva. Tototra ny lalana ary simba ny tamboho teo amin’ny manodidina.

« Miantso izay manana namana na havana nandalo teto na mpanadalo teto ka tsy hita hatramin’izao hampandre anay. Tsy fantatra mantsy na nisy olona nandalo teto tamin’ny fihotsahany » hoy ny avy ao amin’ny mpamonjy voina. « Aoka samy mba hanontany ny manodidina ary hampandre ny eto amin’ny fokontany raha misy tsy hita. Hirariana tsy hisy anefa izany » hoy ny avy ao amin’ny Fokontany.

Ny orambe nisesy ireny no nahatonga ity tany ity nihotsaka. Tototra tanteraka ny lalana tao ambaniny. Izany indrindra no hanaovana antso avo sao sanatria nisy olona nandalo ka tototra ao. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire