Fifidianana : Herinandro sisa no hikatona ny lisi-pifidianana
Nampatsiahy ny avy ao amin’ny sampan’asa tsy miankina misahana ny fifidianana (CENI) ny amin’ny fikatonan’ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana. Herinandro sisa dia hifarana ny fisoratana anarana (ny 15 febroary).
« Efa nanomboka ny 1 desambra lasa teo ny fandraisana ny lisitra. Hifarana ny 15 febroary izao izany. Efa herinandro maromaro izao izahay no nanao fanentanana teny an-tsehatra ny amin’ny tokony hisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana » hoy ny Filoha fatatelo ao amin’ny CENI, Razafimamonjy Laza Rabary. « Entanina hamonjy ny biraom-pokontany ireo vao feno 18 taona sy vao nifindra monina. Mitondra ny kara-panondro fotsiny isika dia efa afaka misoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana » hoy ny mpanolo-tsaina ao amin’ny CENI, Razafindraibe Guy Jeannot.
« Adidy lehibe eto amin’ny firenena ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana. Fomba iray ihany koa hampanjakana sy hanaporofoana ny maha firenena demokratika antsika. Ny fifidianana no fakana ny feon’ny vahoaka » hoy i Rivo, mpahay lalàna. Tsy ny fahabetsahan’ny mpifidy no tena ilaina fa ny fahafenoan’ny lisim-pifidianana mba hisian’ny mangarahara. Entanina noho izany ireo rehetra feno 18 taona mbola tsy ao anatin’ny lisi-pidianana hanatanteraka ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy.
Nicole Rafalimananjara
