ActualitésTsidika

67Ha : Tratra ilay mpangalatra kodiaran-droa

Tra-tehaka teny 67 Ha androany 1 febroary ny mpangalatra miisa 3. Avy nangalatra moto anakiroa izy ireo no nifanenana tamin’ny Polisy mpanao fisafoana ny maraina tamin’ny 4 ora.

« Nirifatra avy hatrany izy ireo vao nahita anay. Tratra ny iray raha tafatsoaka kosa ny roa. Navelany teo ny moto nangalariny » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. « Efa niantso ny avy ao amin’ny Polisy fa hita ilay moto-nay very. Isaorana izy ireo amin’izany fiaraha-miasa izany. Efa tafaverina soa aman-tsara eto aminay ny moto » hoy ny tompon’ny moto very tao amin’ny tokantrano iray teny Ampasika. « Malaza mihitsy ny fanagalarana moto eto amintsika. Porofo izany fa mbola goragora ny lalàna mifehy ny kodiaran-droa. Mila hamafisina ihany koa ny fisavana ireny moto mandalo ireny » hoy i Ando, mpianatra lalàna eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Marihana fa moto marika jog pro sy kymko racing ireto very ka hita ireto.

Efa eo am-pikarohana ny namany hafa ny Polisim-pirenena amin’izao. Tombony lehibe ahitana ny namany ny nahatratrarana ity mpangalatra iray ity. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire