ActualitésTsidika

Politika : Aiza ho aiza ny toeran’ny mpanohitra eto Madagasikara ?

Voasokajy ho isan’ireo mpanohitra ny fitondrana i Mahery lanto Manandafy. Isan’ny heloka niampangana azy ny faniratsirana ny mpitondra izay nandoavany lamandy 1 tapitrisa Ariary. Teo ihany koa ny sazy hafa nomena azy taorian’ny fametraham-panontaniana mikasika ilay « Pont Bailey » tany Moramanga.

« Tsy misy tohiny ny fitoriana ataon’ny mpanohitra rehefa ny mpitondra no manao fanalam-baraka sy manao fanosoram-potaka » hoy ny Sekretera Jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara, Andriamasinoro Riana. « Rehefa tsy vonoina ny mpanohitra eto amin’ny firenena dia gadraina. Tsy azo itenenana zavatra marina eto Madagasikara. Samy hanangana fanjakana eto izany isika rehefa tsy afaka ny hifampihaino ? » hoy i Pasteur Edouard Tsarahame, mpitondra tenin’ny RMDM. Tetsy an-kilany nanao fanambarana ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery.

Mila ny fovondronann’y hery rehetra i Madagasikara. Tokony atsahatra ny fifanenjehana sy ny fifankahalahana. Ny mpitondra no tokony ho modely hitarika izany. Vahoaka no resahina fa tsy antokon’olona na ny tokantrano. Ny fametrahana ny fitoniana no tokony ho vaindohan-draharaha ataon’ny mpitondra » hoy ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery.

Isan’ny manamarika fa firenena demokratika ny fisian’ny mpanohitra. Mitsikera ny fitondrana izy ireo hirosoana any amin’ny fampandrosoana. Ilaina eto maintsika ve ny fisian’ny mpanohitra ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire