Antsirabe : Mpamaky trano telo lahy tratra
01 Febroary, 11h00. Tovolahy irah avy namaky trano no tratran’ny zandary sendra nanao fisafoana ny alin’ny alatsinainy hifoha talata. Nandositra avy hatrany ity farany raha vao nahatazana ireto mpanao fisafoana ireto ka nanenjika azy ny mpitandro ny filaminana sady nampitandrina. Tsy nety nijanona anefa izy ka voatery nitifitra ireo mpitandro ny filaminana. Voa teo amin’ny tongony izy ary nanoro ireo namany rehefa voasambotry ny zandary. Rehefa natao ny famotorana azy telo lahy ireo dia fantatra fa samy mponina ao Tsarafara, kaominina Ambano, Antsirabe II avokoa izy ireo.Efa tafaverina amin’ny tompony kosa ny entana rehetra ary ao aorian’ny fanadihadiana dia ho atolotra ny fitsaràna izy telo lahy ireto.
