SocialTsidika

Alasora : Eny amin’ny CSB II ny toerana fanaovam-baksiny

Tsy mitsahatra manentana hatrany ny mponin ao aminy hanao vaksiny ny kaominina Alasora. Manentana fotsiny ihany anefa izy ireo fa ny vahoaka no tompon-tsafidy.

« Isan’ny vahaolana hiadiana amin’ity areti-mandripaka ity ny vaksiny. Manatona ny CSB II Alasora raha liana amin’izany isika » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Ny Ben’ny tanàna no efa nisantatra ny fanaovam-baksiny. Fitaratra ho an‘ny rehetra izany fa tsy mampaninona akory ny vaksiny. Miaro antsika amin’ny covid-19 aza izy » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina. « Izaho efa vita vaksiny. Tsy misy marary hafa-tsy ilay tsatoka fanjaitra. Mahatsiaro tena ho voaaro izany aho taorian’izay » hoy i Clemence, mponina ao Alasora nahavita vaksiny.

Tsy vitsy ny efa vita vaksiny ; tsy vitsy ihany koa ireo mbola misalasala sy tsy te hanao vaksiny. Manana safidy ny olona iray feno 18 taona raha hanao vaksiny na tsia. Tsara raha tena an-tsitram-po no hanaovana izany fa tsy sanatria voatery akory.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire