ActualitésTsidika

Soanierana Ivongo : Nosamborina ny mpahandro ny sakafon’ireo mpandeha tao amin’ny sambo Francia

Efa maro ireo olona nosamborina ny faran’ny herinandro lasa teo, izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay faharendrehan’ny sambo Francia tany Soanierana Ivongo. Olona roa hafa indray no nosamborina ankehitriny.

« Olona roa mpikarakara ny sakafon’ireo mpandeha tamin’ny fiaingan’ny sambo no arahi-maso akaiky amin’izao. Napetraka tao amin’ny Zandarimaria ao Fenoarivo Antsinanana izy ireo amin’izao » hoy i Mamy Volazara, mpampanoa lalàna. « Tsy maintsy miakatra fitsarana avokoa ireo olona tompon’antoka tamin’ity loza namoizana ain’olona maro ity. Tsy azo ekena ny vono olona ankolaka tahaka izao » hoy i Laza, mpitsara.

« Tena mampalahelo iny tranga iny. Firifiry ireo fianakaviana niandry ny fiverenan’ny havany velon’aina, saingy indrisy… » hoy i Mendrika, mponina ao Toamasina. Marihina fa mbola karohina ny tompon’ilay sambo sy ny mpanamory ilay sambo amin’izao fotoana izao. Olona telo no mbola tsy hita popoka hatramin’izao tamin’ireo mpandeha 138.

Tena misy idiran’ireo mpahandro sakafo tokoa ve ity raharaha ity ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire