Fankasitrahana sy fanomezana mari-boninahitra
23 Desambra, 08h30. Asondrotra amin’ny laharam-boninahitra « Général de corps d’armée » ny Jeneraly Serge GELLE, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ary hakarina ho « Sous-Lieutnant » kosa i Laitsara Jimmy Andrianarison, izay mpikirakira sy mpikarakara angidimby na « Mécanicien » izay “adjudant-chef”. Antony ny herim-po sy herin-tsaina nananan’izy ireo niatrika ny voina nahazo azy, sy ny fianiavany tao anatin’ny governemanta. Omena fankasitrahana na « Ordre de mérite » sy fitaovana ary fampitaovana maromaro ihany koa i Zambie sy ireo Mpanjono nandray anjara tamin’ny fanavotana ireo manam-boninahitra ireo.
