ActualitésTsidika

Vanin’andro fety : Tsaroana indrindra ireo ankizy marary any amin’ny hopitaly

Nanolotra fanomezana ho an’ireo zaza mararin’ny homamiadana manaraka fitsaboana ao amin’ny CHUJRA ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny fitantanam-bola. Endrika miramirana no hita soritra teny amin’ireo zaza sy ny Ray aman-dreniny nandritra izany.

« Misaotra sy mankasitraka indrindra izahay tompon’andraikitra voalohany amin’ny Fahasalamam-bahoaka » hoy ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. « Fetin’ny ankizy izao, ka mendrika raha mba hampifaliana ny ankizy marary izay tsy afaka ny hankalaza ny fety tahaka ny olona rehetra » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. « Hery lehibe ho anay ray aman-dreny mitsabo tokoa izao. Ny vola efa manify amin’ny fitsaboana ka tsy mba afaka ny hampifaly ny ankizy izahay amin’izao fety izao » hoy i Clara, renim-pianakaviana mitsabo ny zanany ato amin’ity Hopitaly ity.

Fotoana tokoa izao hizarana hafaliana amin’ny ny ankizy kely, toy ny fizarana kilalao. Fotoana ihany koa ahatsiarovantsika ireo zaza marary any amin’ny hopitaly tsy afaka ny hifety tahaka ny ankizy rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire