Anjeva : Mitohy hatrany ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra
Mitohy hatrany ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra, izay tanterahin’ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva Gara. Ny alarobia teo, taoamin’ny vohitra Kamory, fokontany Ampahimasina indray no nandehanana ifotony.
« Vohitra Kamory, fokontany Ampahimasina no notsidihana manaraka. Tahaka ny fanao mahazatra, nisy ny dinika nifanaovana tamin’ireo mponina eo an-toerana, fijerena ireo fotodrafitr’asa napetraka toy ny rano fisotro madio, jiro lampadaire, ary tsy adino ny nizara ny mamy ho an’ireo kilonga madinika » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
«Tena mendrika tokoa ny hetsika tahaka izao. Hisaorana ny tomponandraikitra tsy mba mikely soroka amin’ny fandehanana isam-pokontany, mihaino sy mitafa amin’ny mponina. Anisan’ny mitondra mankany amin’ny fandrosoana izany » hoy i Rija, mponina ao Anjeva.
Mandritra ny fitsidihana ifotony tahaka izao ihany koa no fihainoana ny hetahetan’ny mponina sy hijerena ireo asa fampandrosoana ao amin’ny tanàna. Anisan’ny fangatahan’ny mponina tao an-toerana ny fanamboaran-dalàna.
